Azofi-15ans (azofi fjkm ambohipo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/ Ry Jehovah Tompo Ray ! mahery ianao
Fa nihazona anay nahatratr’izao
Dimy ambinifolo taona nitoriana
Tao ny mamy tao ny saona novakiana
Fa tsy nihemotra mihintsy fa mandroso hatrany hatrany
Jesoa ihany no nanitsy sy nahatonga izany
Izy mantsy ilay sakaiza mampandresy toy izao
Izy irery no nitaiza hatram’izao
Izao rehetra hita izao mbola ho levona avokoa
Fa ny fiderana anao tsy hitsahatra hamoa
Iezahanay ny hanambara mafimafy kokoa
Hitory filazantsara sy ireo teny soa
Fanekenay AZOFI hitondra babo ho anao
Ka ho lasa mpankafy ty tany vao

2/ Fiainana ny teninao no filamatra
Vavaka sy ny talaho no asandratra
Firaisam-po, Firaisantsaina tsy hadino koa
Fihavanana lalaina ireo nahasoa
Fa tsy nihemotra mihintsy fa mandroso hatrany hatrany
Jesoa ihany no nanitsy sy nahatonga izany
Tsy hitsahatra ny fanilo fa hiampiata hatrany hatrany
Tsy hanaiky handrarak’ilo hizara mamy
Izao rehetra hita izao…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : azofi fjkm ambohipo
Vangy : 237
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Divins
Daty : 23/02/2023 19:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1602