TSAROAKO (ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tsaroako dia tsaroako anio,'Lay toerana iray
Jesosy ô Ianao nanavotra ahy,tao Kalvary
Tsy haiko vinanina,'lay FITIAVANAO
Andriamanitrô be fitia sy mahitsy Ianao
Ampio aho ahalala,ny sitraponao,tsy atahotra aho fa manana Anao(o…manana Anao)

FIV: Indro ny foko omeko Anao,raiso Tompo ô ka anjakao
Vonona aho ny hanara-dia Anao,
Anio aho anandratra Anao,sy ankalaza ny Anaranao
Masina sy Mahery Ianao.

2-Fikiro aho Jesosy ô,ho eo an-tratranao
Aza avela irery sao reraka 'ty mpanomponao
Na be ireo tafiotra,mitsioka mafy,
Ny eo akaikinao tsy mba hanana tebiteby
Ampio aho ahalala,ny sitraponao,tsy atahotra aho fa manana Anao(o…manana Anao)
ASAFA
A/C : Fenoko
Janoary 2018
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka)
Vangy : 140
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Berova
Daty : 25/10/2023 16:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716