ZANAKA ADALA (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitro Ianao Andriamanitro mandrakizay
Fa maizina foana ny lalako hatramin’izay e!
Nisafidy ny handeha irery, raha tsy teo Ianao dia very
Fa Andriamanitro Ianao, Andriamanitro mandrakizay.

Tsy ho foana intsony ny herin’ny fanantenako ô !
Fa Ianao ‘lay mahay manafoana ny fahadalako ô !
Tsy navelanao hania ity ondry be siasia
Fa Andriamanitro Ianao, Andriamanitro mandrakizay.

Andriamanitro ô ! ‘ty re ny mpanomponao
Nirenireny nanao izay tiany atao ô !
Hatramin’izay izay niady ’zaho kosa azafady
Azafady Andriamanitra Ray Zanaka sy ny Fanahy
Raiso izy mba ho eo an-tratranao
Mba ho isan’ireo zanakao
Andriamanitra Ray Zanaka sy ny Fanahy.

Andriamanitro Ianao Andriamanitro mandrakizay
Izaho ‘lay zaza mpandany niverina an-tranon-dRay e !
Na nikitroka aza ny ala, tafavoaka ‘lay zanaka adala
Fa Andriamanitro Ianao, Andriamanitro mandrakizay.

Andriamanitro ô ! ‘ty re ny mpanomponao
Nirenireny nanao izay tiany atao ô !
Hatramin’izay izay niady ’zaho kosa azafady
Azafady Andriamanitra Ray Zanaka sy ny Fanahy
Raiso izy mba ho eo an-tratranao
Mba ho isan’ireo zanakao
Andriamanitra Ray Zanaka sy ny Fanahy


A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 363
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manou2108
Daty : 10/01/2023 13:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743