ZANAKA ADALA (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitro Ianao Andriamanitro mandrakizayFa maizina foana ny lalako hatramin’izay e!
Nisafidy ny handeha irery, raha tsy teo Ianao dia very
Fa Andriamanitro Ianao, Andriamanitro mandrakizay.
Tsy ho foana intsony ny herin’ny fanantenako ô !
Fa Ianao ‘lay mahay manafoana ny fahadalako ô !
Tsy navelanao hania ity ondry be siasia
Fa Andriamanitro Ianao, Andriamanitro mandrakizay.
Andriamanitro ô ! ‘ty re ny mpanomponao
Nirenireny nanao izay tiany atao ô !
Hatramin’izay izay niady ’zaho kosa azafady
Azafady Andriamanitra Ray Zanaka sy ny Fanahy
Raiso izy mba ho eo an-tratranao
Mba ho isan’ireo zanakao
Andriamanitra Ray Zanaka sy ny Fanahy.
Andriamanitro Ianao Andriamanitro mandrakizay
Izaho ‘lay zaza mpandany niverina an-tranon-dRay e !
Na nikitroka aza ny ala, tafavoaka ‘lay zanaka adala
Fa Andriamanitro Ianao, Andriamanitro mandrakizay.
Andriamanitro ô ! ‘ty re ny mpanomponao
Nirenireny nanao izay tiany atao ô !
Hatramin’izay izay niady ’zaho kosa azafady
Azafady Andriamanitra Ray Zanaka sy ny Fanahy
Raiso izy mba ho eo an-tratranao
Mba ho isan’ireo zanakao
Andriamanitra Ray Zanaka sy ny Fanahy
A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)Visites : 507
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Manou2108
Date : 10/01/2023 13:49