TSARA NY MIFANKATIA (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarotra ho an’ny mpanompo harenaNy fanjakan’ny lanitra
Tsy hitondra mankaiza ny harena
Mandalo ihany isika eto an-tany
Ka maninona moa raha mifanao soa eh!
Tsara e! tsara loatra ny mifankatia
Mamy, mamy loatra anie izany
Soa e ! ny soa atao levenam-bola
Ndao lehiretsy hifankatia
Andao hifankatia
Ny Tompo nanafatra antsika
Nanafatra mafy
Tsy hitondra mankaiza ny adiady
Androany hifaly, rahampitso hitomany
Fifankatiavana ihany no setrin’izany.
Tsara e! tsara loatra ny mifankatia
Mamy, mamy loatra anie izany
Soa e ! ny soa atao levenam-bola
Ndao lehiretsy hifankatia
Andao hifankatia
A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)Vangy : 491
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manou2108
Daty : 10/01/2023 13:43