ORA SARO-BIDY (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga ity ilay ora saro-bidy
Andraisako ny vatanao sy ranao Kristy
Fantatro fa tsy mendrik’zany ao,
nefa matoky anao aho, matoky anao aho

Mino aho Jesoa fa ny vatanao sy ny ranao masina
No raisiko ao anaty Eokaristia
Mino aho fa ianao tokoa tokoa eh
No tonga nofo aman-dra ao anaty Kominio

Ref: Oh mandrosoa ry Jesoa oh mandrosoa ah!
mitoera ato am-poko
anazava ny fiainako
mitoera ao ry Jesoa mitoera aho
Fa matoky anao , matoky anao aho

Tonga ity ilay ora saro-bidy
Andraisako ny vatanao sy ranao Kristy
Fantatro fa tsy mendrik’zany ao,
fa matoky anao ao, matoky anao aho..

Ref…..

A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 237
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manou2108
Daty : 20/01/2023 09:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1491