IFONANA AMINAO (Si) (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Nanenenana ireo ratsy rehetra vitanay
Ifonana Aminao
Tsy te-hamerina intsony ‘reo hadisoana izahay
Fa malilo ô!
Raha mandinika e! Ny Hatsaram-ponao ô!
Dia mandon-tratra, tsy sahy mijery, mitanondrika e!

Tompo ô! Tompo ô ! Mamindrà fo aminay
Fa manenina e ! Tena manenina
Tsy sahy mibanjina Anao
Tsy sahy manonona ny Anaranao
Tompo ô! Tompo ô ! Mamindrà fo aminay

2) Ny Hazofijalianao iny efa navesatra
Mbola nampianay ihany
Tamin’ireo fahotana maro izay vita isan’andro ô!
Raha mandinika e! Ny Fitiavanao ‘zahay e!
Dia menatra mafy fa tsy mendrika izahay

Kristy ô! Kristy ô! Mamindrà fo aminay
Fa manenina e ! Tena manenina
Tsy sahy mibanjina Anao
Tsy sahy manonona ny Anaranao
Kristy ô! Kristy ô! Mamindrà fo aminay

3) Nihazakazaka izahay ka potraka fa trotraka
Dia indro tamy Ianao nampitsangana fa nangoraka
Hafaliam-be no nandraisanao izany e!
Fa very ka hita indray, ‘lay ondrikely iray

Tompo ô! Tompo ô ! Mamindrà fo aminay
Fa manenina e ! Tena manenina
Tsy sahy mibanjina Anao
Tsy sahy manonona ny Anaranao
Tompo ô! Tompo ô ! Mamindrà fo aminay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 149
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RABEHAVANANA
Daty : 28/12/2023 09:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2034