FITIAVANA ô ! (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba hatoroy anay Fitiavana ô !
‘Lay lala(na) mankany Aminao
Fa tsy takatry ny saiko, mila handrendrika ny aiko
Tsy haiko ny tsy anilanao
Torotoroy ao am-ponay Fitiavana ô !
‘Reo fankahalàna mandràtra fo
Ka aoka Ianao hitoetra amin’ny andronay rehetra
Tsy hisy fetra fa hitempo Anao

Fa na dia haiko azan y fiteny rehetra
Zava-poana e ! raha tsy eo Ianao
Na dia nomena fahafahana haminany aza aho
Zava-poana e ! zava-poana avokoa
Rehefa tsy eo Ianao

Mba hasehoy anay Fitiavana ô !
‘Lay rano tsy ritra ao anatinao
Raha toa ka azonao alaina aoka ianao tsy halaina
Fa aina ny fitiavanao
Mba halaviro ao anatinay Fitiavana ô !
‘Lay mizàna mpangala-danja
Ka aoka Ianao tsy hitsitsy fa avelao mihitsy
‘Zay tena mahitsy no omeo anay.

Fa na dia haiko azan y fiteny rehetra
Zava-poana e ! raha tsy eo Ianao
Na dia nomena fahafahana haminany aza aho
Zava-poana e ! zava-poana avokoa
Rehefa tsy eo Ianao

A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 316
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manou2108
Daty : 10/01/2023 14:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722