FITIAVANA ô ! (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba hatoroy anay Fitiavana ô !‘Lay lala(na) mankany Aminao
Fa tsy takatry ny saiko, mila handrendrika ny aiko
Tsy haiko ny tsy anilanao
Torotoroy ao am-ponay Fitiavana ô !
‘Reo fankahalàna mandràtra fo
Ka aoka Ianao hitoetra amin’ny andronay rehetra
Tsy hisy fetra fa hitempo Anao
Fa na dia haiko azan y fiteny rehetra
Zava-poana e ! raha tsy eo Ianao
Na dia nomena fahafahana haminany aza aho
Zava-poana e ! zava-poana avokoa
Rehefa tsy eo Ianao
Mba hasehoy anay Fitiavana ô !
‘Lay rano tsy ritra ao anatinao
Raha toa ka azonao alaina aoka ianao tsy halaina
Fa aina ny fitiavanao
Mba halaviro ao anatinay Fitiavana ô !
‘Lay mizàna mpangala-danja
Ka aoka Ianao tsy hitsitsy fa avelao mihitsy
‘Zay tena mahitsy no omeo anay.
Fa na dia haiko azan y fiteny rehetra
Zava-poana e ! raha tsy eo Ianao
Na dia nomena fahafahana haminany aza aho
Zava-poana e ! zava-poana avokoa
Rehefa tsy eo Ianao
A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)Visites : 411
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Manou2108
Date : 10/01/2023 14:06