FAFAH (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa fahatsiarovana sisa no enti-mitanisa sy mamisavisa
Ireo fiarahana taloha mitamberina ai an-doha
Fa lasa ianao nandao ‘ty akany
F’izahay kosa vonton-tomany
F’ireo hirahirantsika (toa nangatsiaka) bis

Fafao ny ranomaso fa ny tany tsy hilaozan’ny ankaso
Ny alahelo onony tsy hisy intsony
Fa any andro iray izay mbola hihaonantsika indray

Fafah toa tsy mampino
ilay tsikinao izay tsy mety hadino
Ny fitiavanao mihira no mba sovenira
Fa lasa ianao lasan nandao
Mangina izahay fa nilaozanao
Nefa raha izay no sitrak’I Jesoa (maninona moa) bis
Fafao …

Ny Antokom-Pihirantsika ivavaho mba ho tafita
Tohano mba tsy ho lavo fa hiakatra avo
Izahay anie tsy hiadiady
na andavanandro na Zomà na Alahady
Fa ianao ho toy ny eo foana (mandava-taona) bis
Fafao …

Hihira izahay, hihira (hatrany) bis
F’ianao hanotrona anay any an-danitra any
Ny fifankatiavantsika e !
Tsy havelantsika hisy tomika e!Ry Antsam-Piderana ô
Miala tsiny raha tsy nahasoratra firy
Fa ny tsiaro anao no mamirifiry
Veloma mandra-pihaona. Ouh !ouh ! ou ! …

A/C: RANOELISON Nirina (Ni)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 387
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manou2108
Daty : 12/01/2023 09:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756