FALY SY RAVO (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faly sy Ravo izany fo tanteraka ihany,
ny teny soa izay nambaran'ireo mpaminany
Fa ny Mpamonjy no teraka ho antsika anio
dia Jesoa zanaky ny Ray, be fitia
tonga hamonjy ny ety.
Tsy tranon'omby fa ny fonao no nofidiny
izaho sy ianao no handray izany vahiny
koa aza manahy, aza matahotra ianao
fa Jesoa zanaky ny Ray be fitia
tonga hamonjy ny ety.

Ref: Dera sy laza ho Anao ry Mpamonjinay tsitoha
ianao ilay Messi efa voambara mialoha
Fa avy Aminao ilay famonjena anay mba
tsy hisy ho very , handova ilay mandrakizay fa...
Tompon'ny tompo sy Mpanjaka ny Mpanjaka Jesoa.
Anao ny hery ny fahefana sy haja...
ka Haleloya, voninahitra anie...
no omenay Anao o! ry Tompo Jesoa

Tsy volamena, vatosoa na ny harena mora lo
no heverina fa ho mendrika ilay Tompo tsitoha.
ny fitafiana hafahafa izay mampirehareha
mamitaka ihany raha ireo.
ka manakona ilay famonjena.
Fo torotoro , resy lahatra tsotra sy madio
no irin'ny Tompo handray azy anio dia ny anio.
O! manantona aza ela ianao ka mandrosoa
handray ilay famonjena dia Jesoa ilay zanaky ny Avo.

Samson Rakotoarivelo
AKAFA AMBATOLAMPY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Vangy : 878
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : antsakarmela
Daty : 29/10/2019 16:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729