You are here: home > Tononkira > Antsa an'i Kristy

Tohano (Antsa an'i Kristy)

Tazanao fa diso lalana,
Nefa ianao tonga hanitsy ahy
Hitanao nihosom-potaka aho,
Kanefa Tompo ô nodiovinao
Tsapanao fa nilavo lefona aho,
Nefa ianao tonga hampitraka ahy
Hainao fa tena very aho,
Kanefa Tompo ô noraofinao

Tohano mafy aho
Mba tsy hiova lalana
Ny finoana izay ananako
Mba tsy voasemban-drahona mandrakizay
Na mafy ny fitsapana mihatra amiko,
IanTsiky dia ampyao izay sisa ananako
No aza esorina amiko mandrakizay

Tsapanao ny fahatezerako,
Nefa ianao tonga hampifaly ahy
Hainao fa saika maty aho,
kanefa Tompo ô novelominao
Isaorako ny Ray sy Zanaka,
Mbamin’ny Fanahy Masina
Jesoa tsy tonga hiantso ny marina,
Fa hanova ny mpanota hibebaka

Tohano …. (2 fois)
Ny finoana izay ananako, ny aina izay sisa ato amiko aza esorina mandrakizay (3 fois)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsa an'i Kristy
Mpamaky : 5741
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fyhermia
Tamin'ny : 21/09/2013 12:33:57
ID : 6368

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo