AMPY AHY (Antsa an'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AMPY AHY

Ampy ahy Jeso ny fahalemeko
Ampy ahy Jeso ny fahareseko
Ampy ahy Jeso ny fahantrako
Ampy ahy Jeso ny faharavako
Resy aho Jeso ka mahonena
Toa tsy manana anjara famonjena
Tsaroako fa maizina ny tany
Aiza izay havan-tsy mety lany

Ampy ahy Jeso ny tsy fisiana
Ampy ahy Jeso ny fahoriana
Ampy ahy Jeso ny fahalavoako
Ampy ahy Jeso avpedhiq ny foko mitoloko
Menatra aho tsy sahy mitaraina
Sao tsy ho isan’ireo izay notsongaina
Very aho nilaozan’ny rehetra
Mba mila izay fitiavan-tsy voafetra

Ampy ahy Jeso ny sento sy tomany
Ampy ahy Jeso ny fijaliana sesilany
Ampy ahy Jeso ny haratsian’ny ckquvcn tany
Ampy ahy Jeso ny hadalan-tsy mety ttgn lany
Tsy ampy ahy ny tononkira.serasera.org harena eto an-tany
Tsisy filaminan-tsaina izany
Tano ka fikiro hatrany hatrany
Jeso Tompo, fiadanam-be tsy lany

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsa an'i Kristy
Vangy : 9871
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 12/10/2002 18:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117