TIAKO IANAO (Antsa an'i Kristy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hihira aho ho Anao mandrakizayHo Anao irery Ilay tia ahy
Ny tànanao mamikitra ahy
Ianao irery no tsy hamitaka ahy
Fitsapana mety ahamay
Tsy handoro ahy
Voaaro aho eo an-tànanao
TIAKO IANAO.
Mino Anao aho, TIAKO IANAO
Misaotra Anao aho, Misaotra Anao aho
Afaka aho sitrana
Misaotra Anao aho, Misaotra Anao aho.
Mpanjakanay, Mandrakizay
Manome mihoatra noho ny irianay
Fahasoavanao mameno ahy
Fahefanao natolotrao ahy
Babonao...Resinao..ny Foko lasanao
Voavonjy aho noho ny Rànao
TIAKO IANAO
Mino Anao aho, TIAKO IANAO
Misaotra Anao aho, Misaotra Anao aho
Afaka aho sitrana
Misaotra Anao aho, Misaotra Anao aho.
Hosana, Haleloia ho Anao Kristy Ilay TIA Mandrakizay
Hosana, Haleloia velona mandrakizay Ilay TIANAY
Hosana, Haleloia ho Anao Kristy Ilay TIA Mandrakizay
Hosana, Haleloia velona mandrakizay Ilay TIANAY
Haleloia, Haleloia Ou oh oh Fitiavana Ianao
Haleloia, Haleloia Ou oh oh Fitiavana Ianao
Mino Anao aho TIAKO IANAO
Misaotra Anao aho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antsa an'i KristyVangy : 3178
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sarobidy
Daty : 15/09/2018 16:08