You are here: home > Tononkira > Antsa an'i Kristy

JESO HARENA (Antsa an'i Kristy)

Ireo zava-tsoa hita ety an-tany
Dia tena manintona antsika aok’izany
Kanefa raha misy fodianao indray andro any
Dia tsy azo bataina fa lasa vovok’izany
Fa fandalovana ihany ny ety an-tany
Ka tsy afaka honenana mandrakizay ô!
Ka na inona n’ inona hasoan’ny harena
Voaangonao ety an-tany
Dia aleoko harem-pahasoavana tsy mety lany

Tsy lany laniana ny harena any an-danitra
Ahazoana fiadanam-po maharitra
Ka n’iza n’iza mandray an’I Jeso
Dia hiadana sy ho finaritra

Ô lahy e! o rohy e!
Miavaka ny harena any an-danitra
Ô lahy e! o rohy e!
Jesosy no harenako maharitra
Tsiky dia ampy
Na manan-karena aza isika ety an-tany
Dia tsy mahavidy ny aina marary izany
Ny olana maro vahana dia mbola manginy ihany
Ka tsy hita intsony ilay fahasambaran’ izany
Koa andao re hamafy ny soa
Ka hiala amin’ny ratsy sy fankahalana ô
Fa isika rehetra izao samy zanak’Andriamanitra
Samy hanana anjara fiadanana

Fa fifankatiavana ihany no tsara amin’izany
Fifandeferana tokony hatao hatrany
Fa raha isika izao dia tokony tena ho iray ihany
Fa ireo izay madio am-po no ahita ny Ray

Ô lahy e! o rohy e!
Miavaka ny harena any an-danitra
Ô lahy e! o rohy e!
Jesosy no harenako maharitra

(Antsa Praise)

Mpihira : Antsa an'i Kristy
Mpamaky : 989
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : niniekely
Tamin'ny : 14/11/2018 19:06:39
ID : 11131

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo