ILAY NAHAVITA FAHAGAGANA (Antsa an'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay nahavita fahagagana
Tamin’izao tontolo izao
Nanadio ny boka, nampandeha ny malemy
Nanasitrana ny jamba , moana, marenina
Nanao fahagagana maro tsy takona afenina
ô! ô! ô!

Ilay namafy teny soa sy teny mahafaly
Nampianatra ny tany ny didin’ny lanitra
Didy maro sady ahazoam-pamonjena
Hoa avy izy izay samia miambena

Tsy iza izany e! e! Jesosy ihany

Tompon’ny lanitra sy ny tany ( lay e! lay e! )
Ilay nanetry tena , nefa tompon’ny harena
Sy ny fiadanana ary fifankatiavana

Izy anie no fahazavana
Izy tompon’ny fahefana
Azy anie ny fanjakana
Izy mendrika ho deraina - lay é!


Ilay nahavita fahagagana , sns..............

Mpihira : Rodobe
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsa an'i Kristy
Vangy : 3197
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Voninkazokely
Daty : 26/05/2004 03:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2426