You are here: home > Tononkira > Antsa an'i Kristy

FITSARAN'OLOMBELONA (Antsa an'i Kristy)

Aiza Jesosy ô ilay fitia nampianarinao
Nanjavona satria nolavin'izao tontolo izao
Aiza Jesosy ô ilay fahamarinana
Fa tsolotra no iainanay izao

Na mety ny natao nefa tsy ampy vola ianao
Dia tokana, dia tokana ilay fahamarinanao
Na meloka aza ianao, voadion’ny volanao
Vonjeo izahay Jeso fa mitoreo
Vonjeo fa simba izao tontolo izao

Fitsaran'olombelona misy fetrany ihany
Fa Ianao Jesosy ô no tompon'ny Tsiky dia ampyteny farany

Ry manambola miadana aok'izany
Harena azo avy amin'ny tsy rariny izany
Fa ny tena harena dia tsoriko Aminao
Jesosy monina ao anatinao

Na sarotra ny atao, be ny famapahoriana anao
Tsarovy fa ny Tomponao dia tsy handao anao
Na resy aza ianao misento lava izao
Jesosy anie no andry iankinanao
Idongio Jeso hanafaka anao

Fitsaran'olombelona misy fetrany ihany
Fa Ianao Jesosy ô no tompon'ny teny farany
Antsa an’i Kristy

Mpihira : Antsa an'i Kristy
Mpamaky : 6097
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 12/10/2002 16:34:34
ID : 1135

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo