FIANAN-DANITRA (Anjomaran'ny Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro hasandratray hanako ny hoby, hira fiderana
Vetsom-pitia avy ao am-poko, ry andrian'ny fiadanana
Hanehoanay ny fitoavanay Anao 'lay Mpamonjy anay
Maminay tokoa ny anilanao, he ravaravo ny fanahy

Feno hery sy mpandresy izay mikambana Aminao
Ampoky ny fitahiana sy ny fahasoavanao
Ireo fisedrana, fitsapana ahitana fiadanana
Raha Ianao tokoa no itokiana, Ianao no fahasambarana

Fiv:
Ny herinay ry Kristy, tsy havelanay handalo
Lehilahy:
Hijoro ho mpandresy hatrany koa, handresy fahavalo
Vehivavy:
Velona izahay, miaramiran'Andriamanitra
Choeur:
Manomboka hatreto ka hatrany an-danitra

Faly avokoa oreo zava-boary, nohon'ny Fitiavanao
Notafianao hatsarana moa mba hitovy endrika Aminao
Vonona hanara-dia Anao sy hanoa hankatò tokoa
Ny hanompo Anao tsy misy fetra no hany tarigetrako

Fiv ...

Tonony sy feony: RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Miora Hajavolamena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Vangy : 243
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : miorahajavolamena28
Daty : 03/07/2023 16:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1282