Ry olombelona (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry olombelona oh !
Saintsaino ny zava mipoitra eto an tany
Fa efa miseho avokoa ,
Ireo haratsiana , habibiana , fijaliana
Afafin ' i satana , koa faingana dieny izao
Faingana ka miomana tsara
Mivavaha dia miambena
Ho avy tsy ho ela i Jesosy Tompo
Ho avy hiseho @ voninahiny
Ka dia miambena tokoa ianao

Mikarenjy tokoa izao
Ry losifera mitady mitady handrava
Koa dia miambena ianao
Fa sao dia voafatony ho gadra lava oh !

Ry olombelona oh !
Saintsaino ny zava mipoitra eto an tany
Fa efa miseho avokoa ,
Ireo haratsiana , habibiana , fijaliana
Afafin ' i satana , koa faingana dieny izao
Faingana ka miomana tsara
Mivavaha dia miambena
Ho avy tsy ho ela i Jesosy Tompo
Ho avy hiseho @ voninahiny
Ka dia miambena tokoa ianao

Mikarenjy tokoa izao
Ry satana manao haza lambo
Koa dia mivavaha ianao
Amin 'ny Tompo Jesoa fa mandady ny trambo oh !

Ry olombelona oh !
Saintsaino ny zava mipoitra eto an tany
Fa efa miseho avokoa ,
Ireo haratsiana , habibiana , fijaliana
Afafin ' i satana , koa faingana dieny izao
Faingana ka miomana tsara
Mivavaha dia miambena
Ho avy tsy ho ela i Jesosy Tompo
Ho avy hiseho @ voninahiny
Ka dia miambena tokoa ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 527
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Hanitrynylanitra
Daty : 19/05/2021 16:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755