IZA MOA (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ianao ry Ray be indrafo no aronayKa dia misaotra sy midera Anao tokoa izahay
Fa efa nodiovinap ny helokay
Ka ho Anao tokoa zahay mandrakizay
Fa iza moa no ianteheranay
Raha tsy ny herinao no momba anay
Fa raha mandeha irery izahay
Malemy ka tsy maintsy ho lavo indray
Fa efa nodiovinao ny helokay
Ka ho Anao tokoa zahay mandrakizay
2-Ianao Jesosy Tompo ô! no avotray
Fa efa maty hisolo anay tao Kalvary Ianao
Ny ra nalatsakao no nanadio anay
Ka miombom-peo ho fiderana Anao izahay
Fa iza moa no ianteheranay
Raha tsy ny herinao no momba anay
Fa raha mandeha irery izahay
Malemy ka tsy maintsy ho lavo indray
Ny rà nalatsakao no nanadio anay
Ka miombom-peo ho fiderana Anao zahay
3-Ianao Fanahy Masina ô! jironay
Fanilo manazava sy miahy ny lalanay ety
Matoky Anao ka tsy matahotra izahay
Na sarotra sy maizina aza re ny dia
Fa iza moa no ianteheranay
Raha tsy ny herinao no momba anay
Fa raha mandeha irery izahay
Malemy ka tsy maintsy ho lavo indray
Matoky Anao ka tsy matahotra izahay
Na sarotra sy maizina aza re ny dia! (X3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)Vangy : 958
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 11/04/2017 13:03