Isaory ny Tompo Tsitoha (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Isaory ny Tompo Tsitoha
Mpamonjy ny fanahinao
Izay mitahy ary manasoa
Nitondra fiainam-baovao
Narotsany hatrany, hatrany
Fitiavana soa sarobidy
Fitiavana mamy dia mamy
Tsy hoe noseranin’ny mangidy

Ny foko ‘zay vonon-kanompo
No indro asetriko izany
Ka raiso anjakao re ry Tomp
E! vonona hatrany hatrany
Tena sy fo sy fanahy
Ny vola, harena fikolo
Atolotro ‘Anao tsy manahy
Atolotro ho Anao manontolo

2- Isaory ry Tompo malala
Namela ny heloka vita
Ny ratsy nesoriny niala
Ny ota nalany tsy hita
Na mena tahaka ny jaky
Ny fahotana izay nampilonjy
Dia indro voadiony malaky
Ny voasasan’ny Tompo Mpamonjy

3- Isaory ny Tompo mahery
Andrian’ny fanantenana
Nitarika anao tsy ho very
Horebirebin’ny satana
Tsy hisy intsony tomany
Ny sento tsy zakan’ny fo
Ny zava-mahory eto an-tany
Ho afak’ilay Ray Tsitoha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 460
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Hanitrynylanitra
Daty : 19/05/2021 16:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075