Antson'ny Tompo (AFV Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Henoy ‘zany feo mitaraina miantso anao
Miantso anao mba hiverina aminy
( Moa efa nosaininao ve izany antso mibebaha manenena) (Bass)
Tsarovy fa ny Ray tsy mahafoy ianao
Ary tsy mba sitrany ny hahavery ny ratsy fanahy

Dieny izao ary dia apetraho eo aminy
Ny fiainanao sy izay mikasika anao
Hivalozy avokoa ireo ota natao
Ndeha re manatona azy anio
Ka izao no andeha tadidio o o o
Misy fetrany avokoa , izay heverinao ho soa
Fa lalan-tokana ihany, no ahafahana amin’izany
Dia ilay Jesosy nisolo ireo helokao

Henoy ny antsoantson’ireo mpitory teny
Miantso anao tsy mba sasatra ireny
( Avia manatona ny Tompo avelao ireo toetra maloto) (Bass)
Fa izy dia tia sy mamindra fo anao
Ary ny fitiavany dia maharitra ho mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFV Anosibe
Vangy : 1520
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Randria7
Daty : 25/08/2017 17:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071