MANDRIA AM-PIADANANA (Zo Ryan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tohina ny fo Vahotra ny lela

Ianao lasa nialoha ‘zahay tavela

Ny sainay tsy mety mino
Hoe Ianao tsy ho hita intsony
Ianao anefa tsy hohadino
Ny fonay tsy tony

Nantsoin'ny Ray nody any aminy
Ianao namonjy tontolo vaovao
Mino izahay fa mbola hositraniny
Ny fonay naratra nilaozanao

REFRAIN :
Mandria ampiadanana Ianao
Ny fitiavanao anefa hitoetra
Satria dia lasa ianao nandao
Ny aina koa moa tsy mifametra
Mandria ampiadanana Ianao
Ianao anefa tsy hohadinonay
Ka na tsy ho eo intsony aza ianao
Izay vitanao hitoetra hoanay
Fa mbola hihaona indray
Tsy ho mandrakizay

Ekenay satria izay no fandaharan'Izy nanome
Na ny alahelonay aza be
Izao tapitra ny fotoana
mpindrana ihany izahay
Ka isaorana azy foana
f'Izy Ilay RAY

Nantsoiny Ianao hody any aminy
Ianao namonjy tontolo vaovao
Mino izahay fa mbola hositraniny
Ny fonay naratra nilaozanao

REFRAIN :
Mandria ampiadanana Ianao..........

Bridge:
Veloma mandrapihaona
Fa tsy hoe mandrakizay
Ny anay koa mbola hoavy ny fotoana
Amin'izay dia hifankahita indray

REFRAIN :
Mandria ampiadanana Ianao..........

Auteur / Compositeur : Zo Ryan
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zo Ryan
Vangy : 659
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zo Ryan Ofisialy
Daty : 31/03/2022 06:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0499