Fitia Indramina (Zo Ryan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa midify ilay masoandro
Tsy maintsy mandao ahy ianao
Rehefa alina ny andro
Tsy maintsy ho irery aho
Tonga mantsy ilay fotoana
ka hamonjy azy ianao
Satria ny ahy misy fetrany foana
ny fananako anao

Refrain:
Indraindray mila tsy ho tantiko
mila tsy ho tantiko
Ianao anefa mamiko
na dia indramiko
F'izaho tsy tompon-toerana
miandry anao hiserana
Ny fiarahan-tsika ferana
Tsy maintsy ferana
F'izay ilay FITIA INDRAMINA
F'izay ilay FITIA INDRAMINA

Rehefa alina iny ka irery aho
misento hoe any ianao izay
Ny foko feno alahelo anao
Izaho ity toa very fanahy
Ianao izay eny an-tratrany eny
Izaho aty te hitomany
na marary aza tsy afaka hiteny
Satria dia MPINDRANA IHANY

Bridge :
Fa any andro iray
izaho mba hanana ny ahy
tsy hiandry anao foana efa anjaran'ny hafa
Izaho hiezaka hamafa

Refrain:
Indraindray mila tsy ho tantiko..

Zo Ryan 24/ 06/ 2021
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zo Ryan
Vangy : 850
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zo Ryan Ofisialy
Daty : 15/09/2021 20:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1183