AZY IRERY (Zo Ryan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain:
Izaho efa azy irery
Rehefa nitsahinao,natosikao
Izaho efa azy irery
Nomeny fitiavana vaovao
Izaho efa azy irery
Tsy tsaroako hoe nisy anao taloha
Izaho efa azy irery
F’efa lasany ny ahy ny fo

Ireo filafila izay niaretako
tsy tiako iainana intsony
Ka dia niezaka ny mba ho tony
ireo fitapitaka nataonao ahy
tsy tiako mbola ho hita indray
tsy mila anao intsony f’efa fay

izaho efa niteny nilaza ombieny ombieny
nefa tsy mba nohenoinao
olon-kafa tany no nambabo anao tamin’izany
ka sahinao ny nandao ahy

Refrain:
Izaho efa azy irery ……….

Nitia anao tamin’ny fo aho
Nefa nataonao kilalalao
Soa fa nahita azy solonao
Ireo fandefarako taloha ireny
Mba nasiako fetrany ihany
Ny fitiavanao koa nomenao tany

izao mitady ahy indray fa sendra ny mahamay
mahatsiaro ny fitiavako
voafitaka avy tany zao vao mitomany
te hiverina amiko indray
Refrain: Izaho efa azy irery ……….

Auteur Compositeur Arrangeur : Zo Ryan
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zo Ryan
Vangy : 615
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zo Ryan Ofisialy
Daty : 10/08/2021 22:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745