Nanao ny tsy fanao (ZASPAtsim Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsapanay ho meloka tokoa (ny fonay)
Noho ilay tsy manam-paharoa
Tsy iza fa Jesosy izay,
Ilay Mpanavotra mahay
Feno fitiavan-dehibe

Ref :
Izao tontolo izao nanao ny tsy fanao,
Namonoana Anao, ry Tompo be indrafo ô,
Ny mulqy fahotanay ihany no nahatonga izany
Ka namoizanay Anao Andriamanitra ô

2- Mba mangatam-pamelana feno (izahay)
Raha diso koa mba teneno
Iraho ny fanahinao
Hibitsika ao anatinay
Mifona e! ekeo ny hatakay

Ref :
Izao tontolo izao nanao ny wrbmxdsh tsy fanao,
Namonoana Anao, ry Tompo be indrafo ô,
Ny fahotanay ihany no nahatonga izany
Ka namoizanay Anao Andriamanitra ô

3- Ity tanindrazanay malala tononkira.serasera.org (Ampio jiqcajgz fa)
Mila ho variana sy tamana
Amin'ny ratsy izay fanao
Manimba sady mahalao
Ampodio, diovy izahay

Ref :
Izao tontolo izao nanao ny tsy fanao,
Namonoana Anao, ry Tompo be indrafo ô,
Ny fahotanay ihany no nahatonga izany
Ka namoizanay Anao Andriamanitra ô

A/C : Pastora Roland RATOVONA
(Pastora RATOVONJANAHARY Roland / Ambatofinandrahana)

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ZASPAtsim Fianarantsoa
Visites : 44
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : HajatianaDaji
Date : 19/10/2026 10:23
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.265