DISO TIA (zanny)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno feno ery ny foRehefa injay manina anao
Mamisavisa izay ataonao any ho any
Maka toera-mangina ka mifoko samirery
Feno tokoa ny fo tsy hadalana velively
Tiako ianao, tena tiako ianao
Ianao ihany no ao am-poko ao
Mangahiahy raha ilaozanao
Toa zava-poana izao tontolo izao
F’izao dia tia ka tsy maha toetra
F’efa feno anao manontolo
K’izay rehetra tazanin’ny maso dia
Toa anao ianao avokoa
Toa verivery saina aho
Rehefa injay tsy anilanao
Manjeninjeny toy ny adala tsisy atao
Na ny alina mangina
Indro fa manembona anao
Izany amgamba no tena tia
Diso tia….
Any ianao, any ianao
Asa izay mba ataonao
Moa ve mieritreritra ahy
Sa dia variana miriaria
F’izao aty tsy mahatoetra
F’efa feno anao manontolo
K’izay rehetra tazanin’ny maso
Dia mampatsiahy anao avokoa
Fenofeno ery ny fo
Rehefa injay fa eo ianao
misinda ireo tebiteby sy ahiahy
Tena sambatra ny fanahy
Hadino ireo ratsy voatsiahy
Eo ilay silakin’ny aina
Mandrimandry ery ny saina
Fenofeno ery ny fo
Rehefa injay fa eo ianao
Hadino izay nataonao tany ho any…
A/C ZANNY 1998
Interpreter par Tarika Hasina
--------
Lien: