You are here: home > Tononkira > zanny

DISO TIA (zanny)

Feno feno ery ny fo
Rehefa injay manina anao
Mamisavisa izay ataonao any ho any
Maka toera-mangina ka mifoko samirery
Feno tokoa ny fo tsy hadalana velively


Tiako ianao, tena tiako ianao
Ianao ihany no ao am-poko ao
Mangaihay raha ilaozanao
Toa babangoana izao tontolo izao
F’izaho  dia tia ka tsy mahatoetra
F’efa feno anao manontolo
K’izay rehetra tazanin’ny maso dia
Toa anao ianao avokoa


Toa tsy izaho tononkira.serasera.orgintsony aho
Rehefa injay tsy anilanao
Manjeninjeny toy ny  adala tsisy atao
Na ny alina mangina
Indro fa manembona anao
Zany amgamba no tena tia
Diso tia….


Any ianao, any ianao
Asa izay mba ataonao
Moa ve miaritreritra ahy
Sa dia variana miriaria
F’izao aty tsy maha toetra
F’efa feno anao manontolo
K’izay rehetra tazanin’ny maso
Dia mampatsiahy anao avokoa

Fenofeno ery ny fo…


A/C ZANNY  
Interpreter par Tarika Hasina

Mpihira : zanny
Mpamaky : 2881
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 01/03/2007 11:17:19
ID : 4252

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo