Fihino aho (Voice For Light)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandany andro ianao fa tsisy azo iankinanaIreo sakaiza nandao, tsy misy ianteherana
Niserana an-tsainao ao ireo fahotana taloha
Nahatsiaro very, irery
Tsaroako nolazain'ny olona ahy fahiny
Fa misy Raiko any tsy mba hanadino
Ka niantso aho Jesoa, nitalahoako, nivavaka aho
Raha azo atao re inty fihino aho
Ianao irery no mahay mananatra ahy
Raha toa solafaka aho Ianao hanarina ahy
Tsy mba nandatsa ahy raha diso aho indraindray
Fa nampianatra ahy mba ahitsy
Tsy olombelona Ianao ka andeha hamadika ahy
Ny toky nomenao ataonao tanteraka
Maniry aho hitsahatra eo an-tratranao
Raha azo atao re inty fihino aho
Raha azo atao re inty fihino aho
Oh oh oh
Ho anao singan'irery mahare izao hira izao
Tanora tahaka anay, izao no lazaiko anao
Fantatray ny adin-tsainao satria nolalovanay
Ho anao, ianao
Atsaharo ny alahelo ny ahiahy
Jehovah andray anao, ampiadana fanahy
Hiantoka anao, hitahy anao
Ka manomboka izao
Yeah Yeah Yeah
Miarena fa Izy hiady ho anao
Miarena fa Izy hiady ho anaovana
Inty aho Ray, fihino an-tratranao
Oh oh oh
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Voice For LightVisites : 89
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : RTNatah
Date : 22/09/2024 20:32