Natao aho ho Anao (Voice For Light)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(x2) Tompo o endre ny hatsaranao
Toloranao fitiavana vaovao foana
Izahay zanakao na dia  maditra indraindray
Ianao mbola teo namindra fo foana anay

Ref: Fa tiako loatra Ianao
Tompoko sy Mpamonjiko
Efa natao aho ho Anao
Mandritry ny andrompiainako (x2)


(x2) Tompo o ny fiainako manontolo
Ho anao irery ihany, ho Anao hafoiko daholo
Raisonao ka hanjakanao ny amiko rehetra
Ho anao irery ihany, ho anao tsy misy fetra

Ref: Fa tiako loatra Ianao ..... (x2)

Maro ireo fahotana izay nangeja hatramin'izay
Karazan-ditra sy hadalàna
Ho foana hatreo izany ary ho mandrakizay

Ref: Fa tiako loatra Ianao ..... (x2)
Mandrakizay ry Ray Tsitoha (x3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voice For Light
Vangy : 181
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RTNatah
Daty : 07/07/2025 12:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.08