An-dapanao (Voice For Light)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Njay henoko ny antsonao naniraka ahy
Inty aho Ray fa vonona
Kanefa malemy aho fa nofo aman-drà
Tsy mendrika hanatrika Anao.

Toroy, ampianaro ahy ny sitrapoNao
Raha tojo ireo fakam-panahy
Ny Teninao no aoka ho fiarovana ho ahy
Raha sarotra ny làlana.

Na ho avy aza ireny tafiotra
Izaho ho eo an-tananao ihany
Ny rivo-mahery hangina tsy hiteny
F'Ianao no hampitony azy ireny.

Hanenjika ahy ny fahavalo
Ny hery tsy mba namana
Ny finoako anefa no ampinga entiko
Tsy handao ahy ilay Tompo Tsitoha

Ref: Efa nomaninao tsara
Ilay lapa honenako
Fantatro ety fa tsy ho mandrakizay
Fa mbola ho rava sy ho lò

Ny làlako anefa efa fantatro ihany
Tsy ho mora fa ho sarotra
Tsy manahy, tsy ho kivy aho
Tsy ho lavo amin'izany
Ny hoaviko eo an-tànaNao.

Ref: (x2) .....

Ampy ahy mihoatra aza angamba
Lay fiainako an-danitra ao
Fiadanantsoa tena ho sambatra aho
Rehefa hanatrika Anao

Tena iriko aoka re mba ho tony
Ilay toerako ao an-dapaNao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Voice For Light
Visites : 11
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : RTNatah
Date : 22/09/2024 20:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784