Lavo aho (Tsiory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandia tany ka lavo,
miloloha lanitra dia lavo
Taninketsa maina no nama(fa)zako ny voly,
nandamoka fa tsy namoa

Mandia tany ka lavo, miloloha lanitra dia lavo.
Taninketsa maina no nama(fa)zako ny voly,
nandamoka fa tsy namoa

Lavo aho, lavo aho,
ka ny saiko, ny aiko, tsy tafarina
Lavo aho, lavo aho,
ka ny saiko, ny aiko, efa rendrika,
lavo aho

Mandia tany ka lavo,
miloloha lanitra dia lavo
Tetezan-dalampo, no nitako izany ony,
nandamoka fa tsy nahasoa

Lavo aho, lavo aho,
ka ny saiko, ny aiko, tsy tafarina
Lavo aho, lavo aho, ka ny saiko,
ny aiko, efa rendrika, lavo aho

Lavo aho
Ô ry Raiko
hatrakao aho!

Lavo aho
Ô ry Raiko
mba hareno aho!

Lavo aho
Ô ry Raiko
hatsangano aho!


Lavo aho
Amen !
Lavo aho
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tsiory
Visites : 1461
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 28/07/2015 10:31
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.106