Veloma farany (Tsiory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nivadika ny lanitra
Nihovitrovitra ny tany
Nitambotsitra aho, niankapoka
Sady latsaka tomany
Satria veloma hoy ianao
Tapitra hatreo ny antsika roa
Mamelà ahy, hoy ianao, toneo ny fo

Dia ny orana sisa
No nijohy nilatsaka
’Njao havandra sy kodro-baratra
Fa ilay fitia noheverina haharitra
No ity voazera ringana

Nareninao ny vatako
Nofafanao ny masoko
Dia hoy ianao nanampy hoe
Mahereza atrakao ny loha
Dia aveo norohanao aho
’Zaho mbola fanimpanina
Rototrotika fitia hisarahana

Dia ny orana sisa
No nijohy nilatsaka
’Njao havandra sy kodro-baratra
Fa ilay fitia noheverina haharitra
No ity voazera ringana

Nony efa tonga saina aho
Ianao efa lasa nandao
Ny aloka nihalavitra
No hany sisa tazana
Dia izay ilay sary farany
Niraikitra ao an-tsaiko ao
Izay liay ora farany hahitako anao

Dia ny tomany sisa
No navelan’ilay fitia
Alahelo mafy
Tsy misy farany
Fa ilay fitia noheverina
Mba ho doria no nanjary
Veloma farany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiory
Vangy : 16985
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : Densi
Daty : 07/04/2003 08:59
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1545