You are here: home > Tononkira > Mpihira rehetra

Tsiory

228

Nampiditra :
Tamin'ny : 06/06/2003 20:30:16

Mombamomba :
Teo amin'ny sehatry ny haino aman-jery no efa nahafantarana an'i Tsiory raha nanolotra vaovao an-tsary tamin'ny fahitalavitra tsy miankina iray izy, tany amin'ny manodidina ny taona 1997 tany.
        
Mety efa nihaona taminy ihany koa ianao tany amin'ireny fetim-pianakaviana ireny satria isany mpihira tanaty tarika iray mpanafana lanonana sy koranam-pianakaviana izy.
        
Namoaka rakikira i Tsiory tamin'ny taona 2001. Misy hira folo ao anatiny. I Tsiory no namorona ireo tonony sy feony. Mikasika fitiavana daholo ireo hira. Mahalatsa-dranomaso ilay "veloma farany"

Hametraka hevitra

Midira aloha