Ny any aminay (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Henoinareo izay any ho any
Henoy ny angola feon'ny akany
Ny vorona misiotsioka any ho any
Arahin'ny feon-jorery fahatany
Henoy manako any ho any

Tazano iry vohitra somambisamby
Tarafo ny sariny fa harain'andro
Eny mantsy no any aminay
Itoeran'ny rakitr'ilay fahizay
Eny no any aminay.

Jereo ry zavavy erý ambony dobo
R'Ikoto sy Zefa eny ampiandrasan'omby
Zàn kely sy Lita mampiady tandrimo
Imanga etsy ho etsy misarin-tadio
Eny no any aminay.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tselonina
Visites : 2435
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 22/07/2014 20:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074