Ny tany izay diavina - Maintimolaly FLM 67 HA (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tany izay diavina Jesosy ô!Dia tany mahasolafaka tsy mba hay
Fa na iza re mbola nofo sy rà
Dia mety ho solafaka
Ny tany izay diavina Jesosy ô!
Dia tany mahasolafaka tsy mba hay
Fa na iza re mbola nofo sy rà
Dia mety ho solafaka
ô! ô! ka vonjeo amin'ny sandrinao
Hijoroako vavolombelonao
Hiadiko ny ady tsara ny finoana
Hananako fiainana mandrakizay
ô! ô! ka vonjeo amin'ny sandrinao
Hijoroako vavolombelonao
Hiadiko ny ady tsara ny finoana
Hananako fiainana mandrakizay
Ny tany izay diavinay Jesosy ô!
Maneho famoizam-po satria hitanao
Fa manjaka ao ny haratsiana izay
Tsy hay tanisaina indray
Ny tany izay diavinay Jesosy ô!
Maneho famoizam-po satria hitanao
Fa manjaka ao ny haratsiana izay
Tsy hay tanisaina indray
ô! ô! ka vonjeo amin'ny sandrinao
Hijoroako vavolombelonao
Hiadiko ny ady tsara ny finoana
Hananako fiainana mandrakizay
ô! ô! ka vonjeo amin'ny sandrinao
Hijoroako vavolombelonao
Hiadiko ny ady tsara ny finoana
Hananako fiainana mandrakizay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAVisites : 30
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Njaranjara
Date : 14/03/2025 07:25
