Manembona (Tif à Tif)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa manembona anao foana aho
Mahatsiaro ireo rehetra lasantsika
Tsy mba mety tsy ho tsaroako ianao

Mitamberina ato an-tsaiko
Ireo ditraditra kelintsika
Mampisentosento ny fanahy

   Ref:Na ny atoandro,na ny alina maizina koa
         Tsy amela ahy tsy ahatsiahy
         Toa mivesatra fahoriana ho ahy
         Tsy maty fa velona lava ao am-po
         Miredareda anaty ny afon’ny fitia

Izaho sy ianao ilay samy tia
Samy manina ankehitriny
Ny hany fifaliako dia ianao

Ianao
Na omena volamena aho
Na dia tambazana harena aho
Tsy mba misy azoko asolo anao

       Ref:Na ny atoandro.....
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tif à Tif
Visites : 4498
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : oceane
Date : 02/03/2004 02:25
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731