Noraisinao ny tànako (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorako Anao
Ry Ray be voninahitra ny fiainako
MISAOTRA ANAO
Fa tao anaty aizina
no indro nohazavainao indray
Fa tianao aho

Noraisinao ny tànako
Hamikitra ny Tànanao
Tazony aho ho amin'ny Sitrakao misb e
Hitoetra eo anilanao
Tsy hitehin-tany intsony aho e!
Fa hamitsaka eo an-tratranao
tsy hisafidy izay hatao
Fa hoento aho amin'izay TIANAO

Mankalaza Anao
Tompon'ny FAMINDRAM-PO
sy FIANTRANA ahy
MITSAOKA ANAO
NOVIDIANAO aho
NOAFAHANAO ny GADRA,
LESOKA amiko
MPAMONJIKO IANAO

Noraisinao ny tànako
Hamikitra ny Tànanao
Tazony aho ho tononkira.serasera.org amin'ny Sitrakao e
Hitoetra eo anilanao
Tsy hitehin-tany intsony aho e!
Fa hamitsaka eo an-tratranao
tsy hisafidy izay hatao
Fa hoento aho amin'izay TIANAO

Raha mbola handalo fitsapana
eny an-dàlana hombana EO IANAO
Misakambina ahy,
miaro ny finoako tsy hivarimbarina
Na mbola ho avy ny fakam-panahy
sy ireo ady saika nadavo ahy
Dia efa fantatro fa ao Aminao
MPANDRESY AHO

Namihina ny TANANAO aho
dia lasa OLOM-BAOVAO
Mpandova lanitra amin'izay e!
Fa tonga ZANAKY NY RAY

He faly ny ao an-danitra ao e!
Handray mpanota tahaka ahy
Nohavaozin'i Jesoa ho vao

Namihina ny TANANAO aho
dia lasa OLOM-BAOVAO
Mandova lanitra amin'izay e!
Fa tonga ZANAKY NY nzrrp RAY

He faly ny ao an-danitra ao e!
Faly ny ao an-danitra ao
Fa mpanota tahaka izao
Tonga olom-baovao...

Noraisinao ny tànako
Hamikitra ny Tànanao
Ta/zony aho ho amin'ny Sitrakao mztkfmg e
HITOETRA EO ANILANAO...

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Miantefa
Vangy : 14
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Namana tsy mahafoy
Daty : 23/09/2026 18:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0407