Handeha hihoby (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Handeha hihoby ilay Nahary
Handeha hanandra-peo izao
Haneho ilay hika falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao

Handeha hihoby ilay Nahary
Handeha hanandra-peo izao
Haneho ilay hika falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao

Endrey ny asam-pamonjena
Nataon'ny Tompo Jesoa tia
Izay tambin'ny ota sesehena
Noravany tam-pitia
Teo amin'ny hazo fijaliana eee!
Niaretany sazy mahamay
Maty Izy noho ny helontsika
Fa tafatsangana indray

ka 'ndeha hihoby ilay Nahary
Hanandra-piderana izao
Hihira hira falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao

Endrey izao asam-pamonjena
Nataon'ny Tompo antsika izao
Jesoa anie ka nanetry tena
Tsy hahavery ahy sy ianao
Ka dia natsangany aho hijoro
Ho olom-baovao indray
Ilay fiainan'ota voasolo
Fiainana mandrakizay

Asandrato re ny feo
Fa ny Tompo tia anao ho eo aminy eo
Raha mibebaka tokoa
Dia horaisiny ka hotafiany soa

Fa katsaho aloha ny Fanjakan'ny lanitra
Izay no antoka ho anao
Raha maniry fiainan-tsambatra, finaritra
Tonga olom-baovao

Koa katsaho ny Fanjakan'Andriamanitra
Izay no antoka ho anao
Fa fiainan-tsambatra sy mahafinaritra
Ho an'ny olom-baovao....

ka 'ndeha hihoby ilay Nahary
Handeha hanandra-peo izao
Haneho ilay hika falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao

ka 'ndeha hihoby ilay Nahary
Handeha hanandra-peo izao
Haneho ilay hika falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tarika Miantefa
Visites : 268
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Namana tsy mahafoy
Date : 18/07/2023 06:53
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075