Famonjena (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny famonjen'ny Tompo
No nanainga anay ho toy izao
Hanaiky hanaraka Azy
Hanan-toetra toa Azy
Izay nataonay rehetra
Nahakivy Azy halavirinay
Tsy haverina intsony
fa nanenenanay...

Indreto izahay Tompo ô
Indreto izahay Tompo ô
Ny fiainanay rehetra atolotra Anao
Manomboka izao
Indreto izahay Tompo ô
Indreto izahay Tompo ô
Tsy hiala, tsy handao
Hifikitra Aminao
Fa babo tsotra izao

Ny famonjen'ny Tompo
No nanainga anay ho toy izao
Hijoro ho hitanao
Hiantso hoe andao
Hitaona hatrany hatrany
Fa Jesoa no mahasoa anao
'Ndao re hanaraka azy
Ka hiantso toy izao...

Indreto izahay Tompo ô
Indreto izahay Tompo ô
Ny fiainanay rehetra atolotra Anao
Manomboka izao
Indreto izahay Tompo ô
Indreto izahay Tompo ô
Tsy hiala, tsy handao
Hifikitra Aminao
Fa babo tsotra izao

Indreto izahay Tompo ô
Indreto izahay Tompo ô
Ny fiainanay rehetra atolotra Anao
Manomboka izao
Indreto izahay Tompo ô
Indreto izahay Tompo ô
Tsy hiala, tsy handao
Hifikitra Aminao
Fa babo tsotra izao...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tarika Miantefa
Visites : 145
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Namana tsy mahafoy
Date : 17/07/2023 12:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726