Aza manahy... (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny zava-miseho amin'ny fiainanao dia voalahatra
Jesosy mpitantana, tsy mandao, no mpandahatra
Tsy misy tsy tsara 'zay rehetra ataon'ny Tànany
Indrindra moa isika manaiky mba ho tena zanany

Tsinjovy ny voro-manidina tsy mba mamafy
Tsy mijinja sy tsy mitahiry kanefa tsy mihafy
Jesosy no mamelona azy ao ambony ao
Ka moa ve tsy mihoatra ireny izao sy ianao?

Diniho koa ireo voninkazo maniry eny an-tsaha
Tsy mba miasa kanefa endrey re toa maha-te hizaha
Fa tsara fitafy miohatra noho ireny mpanjaka
Koa inona ihany no mbola hampiambakavaka?

Koa aza manahy ny amin'ny ampitso ianao
Ny tahotra sy tsy finoana hatrizay ialao
Dia ho tonga aminao izay rehetra irin'ny fo
Noho ilay Tàna-mahery mpitarika anao eo aloha

Noho ilay Tàna-mahery mpitarika anao eo aloha...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tarika Miantefa
Visites : 238
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Namana tsy mahafoy
Date : 18/07/2023 11:20
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727