Ny hatsaranao (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia hodian-tsy hita ve izao rehetra izao
Izay maneho ny Asan-Tanananao
Mampisaina hoe nahoana re aho nahafoy anao Jesosy oh?
Menatra Anao aho
Tsy mendrika tokoa
Ka manenina, mivalo aho Tompoko

Fiverenana :
Ny hatsaranao, ny Fitiavanao Jesosy oh no mbola naha toy izao
Ka mendrika ho deraina, Ianao Tompon'ny aina
Miadana izay miaraka Aminao
Ny hatsaranao, ny Voninahitrao no asandratray ambony dieny izao
Raha tonga ny fotoana, Ianao no anoloana
Ka ampandroso anay an-Dapanao

Tsy tambo isaina koa ny soa avy Aminao
Miharihary eo anatrehanay
Ary ireny fitsapahana ekenay mba ho fanitsiana anay
Mahantra anie ry Tompo
Ireo izay tsy mba manompo
Fa tsy hahazo ny valim-pitia

Fiverenana : Ny hatsaranao ...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tanora Masina Itaosy
Visites : 139
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Anahy
Date : 20/03/2024 16:33
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4041