Fanantenako (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiverenana :
Fanantenako ry Tompo ny hihaona Aminao
(Hiaona Aminao)
Ny tiako tsy hiandry ela fa izao anio izao
(izao anio izao)
Ny tsapako hatramin'izao tsy mahafoy ahy Ianao
(tsy mahafoy, tsy mahafoy ahy)
Mijery sy miahy tsy ho reraka ny nofo sy fanahy

Reo mino ka manao tsara ny asa soa
Inoako fa ho any avokoa
Kanefa raha tsy sitrakao izao dieny izao
Dia miandry ny anjara tendrinao
F'ambara-pahatonganao hitsena anay
Eny amin'ny rahon'ny lanitra
Ny anjaranay ry Jesosy, dia ny miara-dia
Tsy ho resin-tsatana sanatria

Matoa mbola velon'aina tratra soa
Dia ny fitahianao avokoa
Tsy sitrakao ny ahavery ity zanakao ity
Misaotra ry Tompo be fitia
Zay lalana efa nitondranao ahy
Dia tena namoky ny fanahy
Fanantenako Jesosy ny hitohizany
Sy tena aharitra ho doria

Fiverenana : Fanantenako ry Tompo ny hihaona Aminao ... (x2)

A/C : SDN
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tanora Masina Itaosy
Visites : 582
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Anahy
Date : 20/03/2024 22:01
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211