Mifankazara @ ilay ray tsitoha (STK antson'ny famonjena (FKPMV Makedonie Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na toy ny ahoana sy toy ny ahoana
Ny lalana mbola ho aleha
Tsy maninona ary tsy matahotra
Fa ny Andriamanitray ngeza be
Izy miaro mitantana e
Manala ireo sakantsakana e
Raha izy no mikarakara a
Dia ho tonga soamatsara a

Ref :
Tantanany e tantanany e
(Tantanany aho dia miadana e)
Vimbininy e vimbininy e
(Milamina foana ny fiainana e)
Tantanany e tantanany e
Tantanany aho dia miadana e

Izay no matonga ahy hifankazatra foana
Amin'ilay Ray isan'andro isan' ora
Efa noetin'i Jesoa ny adiko rehetra
Fiadanana e fiadanana e
Omeny ahy maimaimpoana

Na toy ny ahoana sy toy ahoana
Ny lalana mbola hizorana
Tsy maninona ary tsy matahotra
Fa ny Andriamanitray mombanay
Hainy ny zava-drehetra e
Nahoana ary no manjoretra e
Ny olana hisesisesy
Fa izaho dia ivoaka ho mpandresy

Ref: Tantanany e...omeny ahy maimaimpoana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : STK antson'ny famonjena (FKPMV Makedonie Famonjena)
Hits : 209
Likes : 0 Like
Created by : vanessaPARANIAINA
Date : 19/10/2025 08:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.073