Kally (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
KALLY



Kally, Kally ô !
Ataoko ahoana ny tsy  hijery anao ô
Anjely latsaka an-tany no fahitako anao ô
Tsotra upfoqhh sy tsara indrindra, tokana ianao
Kally, aiza ianao, aiza ianao?

Manahirana, mampiasa saina
F’izay aleha rehetra tsisy dcufe tsy ahitanao an-dRavehivavy
Maka fanahy na tsy fanahiniana aza
Na famindra na fomba fijery
Na endrika, na bika, na fitafy teritery
Mbola any aminao
Ilay fihetsikao tsy manan-tsiny anefa no mandrava
Raha mandinika ny hatsarana
Ny hatsaran-tarehy tsy voararan’ny lalàna
Eto Dago rahalahy
Fa natao handravak’ity tontolo iainantsika isan’andro
Fa ny mety ho indro kely, olana eo am’zany
Dia ny fakam-panahy, fakam-panahy tsy mety ho lany
Kanefa atao ahoana moa ity fiainana raha tsy nisy an’izany

Ref…

Vola lava no mandravaka ilay endrikao sariaka
Ny molotrao malandy, masonao fotsy botsiaka
Ny sorokao raha mijoro
Ny ankohatr’izay tsy ilaina atoro
Sao aloha ny foko ho torotoro (Ha !..)
Fa tononkira.serasera.org raha … ny feonao no asiana teny
Raha ny bitsikao mandangolango
Safosafo, rangodrangotrao
Toa mampitsangam-bolo
Ny horokao tsy hay asolo
Aleo hatreo, ny gmnu sisa ho ahy sy anao, Yeah !

Kally, Kally ô !..

Tsy haiko ny  hiaina raha tsy eo anilanao foana aho
Tsy misy mety ny atao, ny saiko any aminao
Mila ny horokorokao
Mila ny safosafonao
Mila izay rehetra rehetra mety ho azo avy aminao

Ref… (x2)
SPY D
          Juillet 2003.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 2664
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Spydee
Daty : 24/10/2014 18:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2001