Miandry hahita anao (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MIANDRY HAHITA ANAO ...

An-tany lavitra aho no izao mahatsiaro anao
Ka manontany tena hoe, mba rahoviana
Raha sendra misy mahita azy mba lazao
Na tady hitraotra aza ny Fo, aleo hangina ...

Lazao izy hono hoe tsy manadino
Tsy mahita tory, tsy tafandry mandry fa mahatsiaro
Lazao izy hono hoe ka mbola tia ...
Tsy mahandry intsony nefa tsy afaka ny hanidina any

Miandry anao, miandry hahita anao ...
Na tsy androany aza, andrasako izay ora izay
Zaho mbola miandry anao, zaho tsy manadino
Na tsy fantatro aza ... aleo ny ampitso no hilaza

Izay jereko rehetra, toa mampahatsiaro
Ilay hasambarana miandry ahy eo anilanao
Ka tsiky sy ranomaso no mifangaro...
Raha vao voatonona ny anaranao
Indraindray aho mahita mpifankatia
Mitsiky malefaka aho mijery azy ireo
Ka mitamberina indray ny alahelo an-dry
... toa niserana ihany ilay tsiky teo

Ilay Masoandro mody no nilaza
Fa rahampitso hono izy mbola hiposaka ka hibaliaka
Toa izany, na dia alavitra aza ...
Mbola hifoha ka hamiratra eto indray ilay Fitiavantsika ...

Ref :
Miandry anao, miandry hahita anao ...


Enregistré chez B.B.B Records pour Dragon ENTERTAINMENT (2014)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 6954
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Spydee
Daty : 24/10/2014 18:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719