Tsy mila hafa (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(voix off)
...Tsy mbola misy miova...ôoô

Toa tsaroko foana
'Lay ora nifahankalalako taminao
Ieny fa na dia teny ny fotoana
Toa mbola tsy afaka ato an-tsaiko iany hatraminy zao

Fijery nifanena
Toa segondra roa na telo fotsiny ihany
Tsiky iray tsy haiko no fefena
No naha tonga izaho ho latsa-paka taminao

Asa na ianao tokoa va re no tena tsara, asa tokoa ve na izaho no mora babo
Tsy mba nahay nandà
Asa na ianao tokoa va re no tena kanto, na izaho no mora tia

Henika aho fa ao aminao daholo ny hatsarana
Nokasaiko rehetra
Fahaizana, hatsaran'tarehy sy ny hatasaran'toetra
Fa tsy ny hatsaranao, fa ilay fo mitempo ao anatiny ao
No miantso inty foko mbola tia

Fa mbola ilaiko foana ianao, ho faniriko
Mbola tsisy niova mintsy lay ftiavako anao
Ilay nofidiko hifampizara ny hafaliako
Na fotoana vitsy monja aza no ahitako anao

Ny fijaliako lavitra ahy
Ny fahoriako anao
Raha mbola ianao no mila sy tia ahy
Matokia ianao f'izaho tsy hiova fo
Fa mbola hitia anao

Omaly aho nieritreritra
Mety mihena ve ny lanja ny fitia
Nandinika anao de lasa saina
Mba ho inona moa aho raha tsisy an-ndry

Fa na de mifamaly aza isika
Miadiady ka mifandratra fo
Mahatsiaro irery sady mangatsika
Raha vao tsy eo ianao
Miady saina, ka mila ho vaky loha

Asa na ianao tokoa va re no tena tsara, na izaho no mora babo
Ka tsy mba nahay nandà
Asa na ianao tokoa va re no tena kanto, na izaho no mora tia

(Efa lasa anao daholo) Efa lasa anao tokoa
Ny ato ampoko sy ny saiko rehetra (ny ato ampoko manontolo)
Fitiavana nantolotro tsy mba manam-petra (efa nahafoiko omeko anao)
Fa foiko omeko anao
Ilay fo mitempo ao anatiko aho (famenony ilay fonao efa tia)

Fa mbola tiako foana ianao, ho faniriko
Mbola tsisy niova mintsy ny ftiavako anao
Ilay nofidiko hifampizara ny hafaliako
Na fotoana vitsy monja aza no ahitako anao

Ny fijaliako lavitra ahy
Ny fahoriako anao
Raha mbola ianao no mila sy ho tia ahy
Matokia ianao f'izaho tsy hiova fo
Fa mbola hitia anao

Toa tsaroko foana
'Lay ora nifahankalalako taminao
Ieny fa na dia teny ny fotoana
Toa mbola tsy afaka ato an-tsaiko iany hatraminy zao

Ilay fijery nifanena
Toa segondra roa na telo fotsiny any
Ilay tsiky iray tsy haiko no fefena
No naha tonga izaho te ho tafa latsa-paka taminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 38234
Mpankafy : 7 Ankafizo
Nampiditra : papoosy
Daty : 23/04/2011 23:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116