Aiza 'lay gasy (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Spydee!) Eoah! Anaty vibe, anaty vibe vaovao...

K'aiza Bain'! (K'aiza!) Salama ve nareo? (Eoah!)
Ny aty salama tsara, tsy marofy, tsy marevo
Tafahoana, ela tsy nifankahita
"Arahabaina ny any Dago! (Sali' ah!) K'aiza daholo ny any ampita!" (Aiz'zany!)

Azafady, misy teny kely hatsipy
Kôzy kely fotsiny ohatra ny maso indray mipika
Ho an'ny Gasy, n'aiza n'aiza misy anao
Ataovy rehareha fa Gasy foana ianao

(Eoah!) (Asio tsiky kely aloha..) fa falifaly tafahoana androany
(Eoah!) (Asio tabataba ho an'ny..) Malagasy rehetra eran'tany!
Izaho mitady anao, ianao no hanantso azy...
Dia izay tratr'antso, manao hoe...

Ref: Aiza le Gasy e! Antsoy daholo ny havana
Izay zanaky ny Nosy: "Ataovy ambony n'tànana!"
Aiza le Gasy e! Efa'reo ny namana
Samy hafa fihaviana f'eto tsy ankanàvaka! Oooh!
Na tanora, na lehibe, ho antsika malagasy asio: "Tabataba be!"
(Spydee...) mankalàza, raiketina ho tantara
Dia mbola ho ela velona anie i Madagasikara!

Tsy hoe sanatria, manambanimbany ny an'ny hafa
Tsy hoe sanatria, manaratsy kolotsaina hafa fihaviana
(Jereo ange, sokafy ny maso...)
F'izao, sokafy anie ny masonao
Jereo, ny hatsaran'dRamalagasy
Tovovavy tsara, mampitsiriritra ireo mpandalo
Kolotsaina, Kanto, Harentsaina sy ny Kalokalo koa
Ny Fahendren'ny Razanao taloha
Ireo no Harena, maha'Gasy anao!

Rap (Ok!) Yo, teneno azy, kozio izy! Kozio azy, teneno izy!
Sao tsy kobonao akory aloha hoe, fombany hoe
Sao ianao io kosa 'ndray no hampihetsika ny trombany hoe
Mc! N'bandy mila m'ketrika! Fuck' mpanova fihetsika
Ianao io raha mitady hoa dia vao mamay le ketrika
Jery atrika, tsy afa-mihetsika, dia zay lay feo aletika
Be'Zina misolo tena, dia zay lay feo aletika! An!
Check ho an'Gasy namana, zay saky manangan'tànana
Ny ekipa sy ny namana, reo savla, na reo manana! An
Zah mila flow (flow!), zah mila mot! (Mow!)
Zah mila insta' mamay, zah mila ketrika mila mlay!
Ok ok! (Ok!) Aiza le gasy O.P! (Yeah!)
Big'Up lesy hoa an'ise, Ra'Spy sy Zina Be!


Spydee feat. Zina Be
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 2245
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : dafytahiana
Daty : 25/05/2015 14:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759