Oh mama (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sendra nihodina aho, ka tafajery,
Tsy sitrapoko anefa, satria tsy an-tery
Nibanjina azy, tsy tafateny,
Nangovitra aho toa tsy nahaloa-peo
Nipetraka aho, nisento koa,
Tsy hita hoe nahoana fa nisento aloha
Nanatona izy, namindra mora,
Toa fantany aza hoe izy no jereko

Oh Mama !
Mampiantsoantso ianao hoe : Mama !
Na te hiantso aza anefa
Menatra aho, toa nanaiky
Fa raha tsy hihetsika eo anefa dia ho taraiky
F'izy mody nitsiky dia lasana any
Tsy hita intsony,
Fa lay endriny efa tsy afaka ao an-doha

Lasana tsy hita any,
Lasa ianao, fa izaho tavela teo
Lasa any lavitra any,
Lasa ianao, bye bye veloma hatreo
Nefa raha iny no anjara,
Izaho no adala raha hamela azy handeha
Lasana tsy hita any, lasa ianao,
Tena miaiky anao daholo zay mijery

"Oh Mama !... oay zany ty hatsaranao ...
Tsara toetra, tsara voatra loatra mampiteny hoe "Woaw!"
Tsy hikabary no anton-dia, sanatria misy hoe zoky, zandry
Lahateny no atao fa tsy sanatria hanangan-tsandry
Toa narafi-javatra, hatsarana tsy manam-pahataperana
Eny e, fikasana ny ahy, fa ianao 'rery io ihany no erany
Faniriana ny anay, ... io efa hatry ny elabe
Tsika rehetra efa kôpy fa any aminazy ny lakilé"

Sendra niherika aho, indray andro izay,
Nanatona ahy ianao ka tonga dia nandray
Ny tanako, nofihininao.
Ny masoko efa jambena noho ianao
Fa iza loatra ary ianao,
Tsy teny iray mba aloakan'ny vavanao
Nandalo ianao, niserana
Ka miantso anao re ny vetso sy ny feoko

Oh Mama ! mampiasa saina ianao
Mama ! tsy mahita tory aho fa na menatra aza,
Izaho taraiky
Nantsoiko ianao avia, dia indro ianao nanaiky
F'izy mody mitsiky fa lasa ihany
Dia izaho no very
Tena miaiky anao daholo zay mijery.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 1043
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/06/2019 12:23
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1972