Tsy anjara (Soa'Niaina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nomeko azy iny tena avy am-poNa tsiky io, na teny io, na tamby io
Izay tsapako fa nahasoa (x2)
Bridge :
Dia nampianariko izy nandihy
Nampianariny aho nankafy
Raha ny fiainanay roa no tantaraina
Tsy ho voatanisa
Tena babo ka natoky tokoa
Taty aoriana tsy nampoiziko
Hay, fitiavana kilalao ny azy
Toa fialamboly
Refrain:
Nefa atao ahoana moa
Mbola tsy ampy azy zany
Reo zava-tsoa nomeko azy
Nandalo dia zay
Any aorina any nefa anie
Mbola hahatsiaro ana ihany
Nenina avy any hafara
Tandremo sao tara
Na mbola omeko azy koa aza
Izao tontolo izao
Rava ho azy eny foana iny
Rehefa tsy anjara
Namorona ny tonony sy ny feony :
Soa'Niaina
--------
Lien:
Commentaires
ZahSoaniaina
(
27/05/2026 04:40)
Rohy hahitanao ny hira amin'ny pejy facebook Soa'Niaina Panakanto : https://fb.watch/Hm3EI391q1/
ZahSoaniaina
(
27/05/2026 04:53)
Rohy hahitanao ny hira HATRAIZA amin'ny pejy facebook Soa'Niaina Panakanto : https://web.facebook.com/share/v/1B5fuKRLQP/
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Soa'NiainaVisites : 16
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ZahSoaniaina
Date : 27/05/2026 04:37
